1 Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amini Estera, vadinny mpanjaka, ho ao aminny fanasana.

2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamini Estera teo am-pisotroan-divay taminny andro faharoa: Inona no angatahinao, ry Estera, vadinny mpanjaka ? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao ? Fa na dia hatraminny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany.

3 Dia namaly Estera, vadinny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao Ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako Ary ny fireneko araka ny fangatahako;

4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina Ary haripaka; fa raha thiny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.

5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamini Estera, vadinny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, Ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory ?

6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehanny mpanjaka sy ny vadinny mpanjaka Hamana.

7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolinny trano; Ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamini Estera, vadinny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelinny mpanjaka azy.

8 Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolinny trano ho ao aminilay efa nisotroany divay teo, Ary Hamana sendra niapoka taminny farafara nandriandriani Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadinny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io ? Raha vantany vao naloaky ny vavanny mpanjaka izany teny izany, dia nsy nanarona ny tavani Hamana.

9 Ary Harbona, tsindranolahy anankiray izay teo anatrehanny mpanjaka, dia nilaza hoe: Indro miorina eo akaikinny tranoni Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon i Hamana hanantonany ani Mordekay, ilay niteny soa ho anny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Ahantony aminio izy.

10 Ary Hamana dia nahantony taminilay hazo efa natsangany hanantonana ani Mordekay. Dia vao izay no nionona ny fahatezeranny mpanjaka.
